Tontolo iainana

Ny ala, loharanon'ny rano sy ny angovo

Mpitantana

Ny vaovao rehetra

Ny ala, loharanon'ny rano sy ny angovo

Izany no lohahevitry ny fambolen-kazo amin'ity taona ity.

Zana-kazo 5 000 eo ho eo no nambolena teo amin'ny velarana 3 hekitara tao amin'ny distrikan'i Tolagnaro, ao amin'ny fokontany Tsitongabarika, kaominina Soanierana, raha ny marina kokoa.

Ny tanjona amin'ity taona ity dia ny hamboly ala amin'ny 4 100 hekitara, miorina amin'ny tahan'ny fahombiazana 92 % azo tamin'ny taona lasa.

Nofidiana manokana ity toerana ity noho ny habetsahan'ny faritra arovana ao aminy sy ny anjara asany lehibe amin'ny fiarovana ny zava-manan'aina eo an-toerana.