Angovo

Miasa any Tolagnaro ny toeram-pamokarana herinaratra avy amin'ny rivotra voalohany eto Madagasikara

Mpanoratra

Ny vaovao rehetra

Miasa any Tolagnaro ny toeram-pamokarana herinaratra avy amin'ny rivotra voalohany eto Madagasikara

Miasa izao any Taolagnaro ny toeram-pamokarana herinaratra avy amin'ny rivotra voalohany eto Madagasikara. Nohamafisina tamin'ny Jolay 2026 ny fampandehanana azy.

Misy kodiaran-drivotra sivy ambin'ny folo, natsangana nanomboka tamin'ny Janoary 2025, ny toeram-pamokarana, ary 16 MW ny tanjany. Ny QIT Madagascar Minerals (QMM) miaraka amin'ny CrossBoundary Energy no nanorina azy.

Miaraka amin'ny toeram-pamokarana herinaratra amin'ny masoandro ao Ehoala, niasa nanomboka tamin'ny 2024, dia mahatratra 30 MW ny tanjaky ny toeram-pamokarana mifangaro masoandro sy rivotra.